Tranga tsy dia faheno firy no niseho tao amin’ny kaominina Ambohimirary, distrika Anjozorobe ny alatsinainy lasa teo. Zazalahy enin-taona no nalain’olon-tsy fantatra, mitam-piadina an-keriny, raha an-dalana hody hamonjy ny tananany izy sy ny rainy. Niala kely ny tanana antsoina hoe Mahavazina no niseho ity trangana fakàna an-keriny ity, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Efa somary hariva ny andro tamin’io fotoana io, ary avy nitety tanana nivarotra voatabia izy mianaka. Avy any Mahavazina, hody any Ankazongoaika, tanana mifanalavitra an-kilaometatra maromaro. Teny an-dàlana anefa, raha ny angom-baovao hatrany, dia nisy bandy efa-dahy nanatona azy mianaka. Nanambana basy azy ireo, ary tsy nisalasala nidaroka avy hatrany ilay raim-pianakaviana. Nofatoran’ireo olon-dratsy ity farany. Tamin’izay no nentin’izy ireo an-keriny ilay zazalahy kely. Fantatra fa tsy naka na inona na inona ankoatr’ity ankizy ity ireo olon-dratsy. Efa nisy môtô nafenin’ireto mpaka an-keriny tsy lavitra ilay toerana. Nentin’izy ireo nitsoaka avy hatrany ity zazalahy kely taorian’izay. Tetsy an-danin’izay kosa, afaka soa aman-tsara tamin’ny fatorany ilay raim-pianakaviana ka afaka nampandre ireo fokonolona. Io alina ihany, dia efa nandray ny andraikiny avokoa ireo zandary tany an-toerana nanao savahao izay mety ho lalana rehetra. Hatreto, raha ny fampitam-baovao hatrany dia mbola tsy fantatra na aiza na aiza no misy ity zaza nalaina an-keriny ity. Mipetraka avokoa ny fanontaniana eny am-bavan’ny rehetra : tonga hatrany ambanivohitra ve ireo mpaka an-keriny ? Mahalasa saina ny rehetra ihany mantsy hoe, inona no antony nahatonga ireto olon-dratsy haka ity zaza ity, izay zanaka tantsaha ambonin’izay. Tsy mbola nisy rahateo ihany koa fitakiana vola ho takalon’aina raha ny fanazavana azo. Sotasota sa adim-pianakaviana ? Efa misokatra ny fanadihadiana ary mandeha ny fikarohana ilay zaza sy ireo olon-dratsy mpaka an-keriny, ataon’ireo zandary any an-toerana.
m.L