Fialonana sa asan-dahalo tsotra izao. Olona telo tao anaty lanonam-pianakaviana no maty tsy tra-drano rotiky ny bala nisy nitifitra, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady maraina teo, tokony tamin’ny telo ora tany ho any, tany Mandabe Mahabo. Tao anaty korana mihitsy ny rehetra no niainga ny tifitra variraka avy any atsimon-tanàna, izay tsy fantatra ireo nitifitra satria niafina tao anaty haizina izy ireo, ary tampoka ihany koa ny zava-nitranga ka tsy nisy sahy nihetsika ny mpilanonana rehetra fa niandry ireo mpanafika sy mpampihorohoro ho lasa lavidavitra vao nifamonjy nijery ireo maty sy naratra. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha manao ny famotorana sy fikarohana ireo nahavanon-doza, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa