- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Omby 400 norobain’ny malaso, olona 13 maty voatifitra

Sakaraha : Omby 400 norobain’ny malaso, olona 13 maty voatifitra

Nitrangana fanafihan-dahalo naherivaika indray tao amin’ny kaominina ambanivohitry Andranolava any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, ny alin’ny alatsinainy teo, ka lasan’ny malaso tamin’izany ny omby manodidina ny 400 isa, tao amin’ny fokontany Ankaboka. Tonga ara-potoana ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’ Andranolava raha naharay ny vaovao ka raikitra avy hatrany ny fanaraha-dia an’ireo malaso mpangalatr’omby. Rehefa nifanehatra ny roa tonta dia raikitra ny fifampitifirana, ka dahalo 11 no maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, raha olona roa avy amin’ny fokonolona teo an-tanàna ny iray, ary tompon’andraikitry ny « Dinabe » ny namoy ny ainy faharoa tamin’ireo mpanara-dia, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici