- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Fatim-behivavy natsingevan’ny rano

Andranomena : Fatim-behivavy natsingevan’ny rano

Mirongatra ihany koa ny fahitana fatin’olona saika isaka ny faritra eto an-drenivohitra. Fatim-behivavy iray manodidina ny 45 taona indray no hitan’ny fokonolona nitsingevana tao anaty lakan-drano teny Andranomena Ambohibao ny alatsinainy 01 aogositra lasa teo. Tokony tamin’ny 8 ora maraina tany ho any ny razana no nisy nahatsikaritra. Fantatra fa vehivavy mpanasa lamba mipetraka eny Andranomena eny ihany izy ity. Rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana lalindalina ny zandary avy ao Ambohibao izay nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy, dia fantatra fa ny sabotsy 30 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina izy no nisy nahita farany. Nilaza izy tamin’io andro io fa handeha hanao ny asa aman-draharaha mahazatra azy (manasa lamba) no nivoahany ny tranony. Tsy re sy tsy fantatra intsony anefa izay nisy azy sy izay nanjo azy fa izao hitan’ny olona natsingevan’ny rano izao sisa. Tsy fantatra araka izany izay tena nitarika ny fahafatesan’ity ramatoa ity. Raha ny fizahana farany nataon’ny dokotera azy dia voamarina fa tsy nahitana ratra na dian-kapoka ny vatany. Fantatra ihany koa fa nandrenesana fofon-toaka izy. Ny harivan’ny alahady lasa teo, manodidina ny tamin’ny 6 ora tany ho any kosa no fotoana nahafaty azy raha ny fanazavan’ny dokotera hatrany. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ny amin’ny nahafaty marina ity ramatoa ity.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici