Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena faharoa ny alatsinainy 01 aogositra lasa teo. Sprinter iray an’ny kaoperativa mampifandray ny renivohitra amin’i Toamasina no nifandona tamina môtô Honda iray izay nifanena taminy. Maty tsy tra-drano avy hatrany ny mpamilin’ilay môtô izay fantatra fa mpitondra fivavahana amina fiangonana iray any Ambatomena Mananara. Manodidina ny tamin’ny 11 ora mahery 10 minitra tany ho any, teo amin’ny fiolahan-dàlana PK 37+700, fokontany Ambohijafy, Kaominina ambanivohitr’i Carion, làlana eo amin’ny roa kilaometatra tsy hidirana ny distrikan’i Manjakandriana. Raha ny fanazavana azo dia mafy tokoa ny fifandonana nisy teo amin’ny roa tonta. Nikoriana ny rà nameno ny arabe. Potika tanteraka ihany koa ilay môtô taorian’ny dona mafy nahazo azy. Vaky torak’izany koa ny “pare-brise”n’ilay Sprinter ary pempo ny ilany havia. Raha ny antony nahatonga ny loza, marihina fa fiolanana be ilay toerana nifanenan’ireto farany hany ka samy naka ampivoany na ny andaniny na ny ankilany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary avy ao Carion nanao ny “constat” teny an-toerana ary efa voatazona eny amin’ny biraon’izy ireo ny mpamilin’ilay fiara hanaovana ny famotorana rehetra. Ny razana kosa efa natolotra ny fianakaviany niaraka tamin’ny môtô.
Niony H.