- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanendaka 14 saron’ny “uir”, iray vao nahavita ny saziny ny...

Toamasina : Mpanendaka 14 saron’ny “uir”, iray vao nahavita ny saziny ny alatsinainy teo

Isan’ny baiko nomen’ny tale provinsialin’ny polisy eto Toamasina ireo polisy eo ambany fifehezany ny tsy maintsy hamerenana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, amin’izao firongatry ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ary ny famakian-trano isam-pokontany isak’alina izao.

Vokatr’izay dia samy nandray ny fepetra mifanandrify aminy avokoa ireo sampan’ny polisy mpanao fisamborana sy mpanao fanadiadiana eto Toamasina. Isan’izany ny sampan’ny UIR na “Unite d’Intervetion Rapide” ny polisy, ka ny herinandro nivalona teo izay mbola nitohy tamin’ity herinandro ity, dia tovolahy 13 sy vehivavy 1 no saron’izy ireo nanao izany fanendahana sy halatra izany. Samy manana ny ekipany ireto jiolahy mpanendaka tratra ireto, ka ny 7 no tratra tamin’ny ekipan’Ingahy Babadou, izay vao nahavita ny saziny am-ponja ny alatsinainy dia tratra ny talata maraim-be teo am-panendahana olona hiasa vao maraina tao Ankirihiry. Teo koa ny ekipan’Ingahy Aurélien izay mbola 14 taona nefa efa mitarika andian-jiolahy manendaka, izay tratra niaraka tamin’ny zokiny Kevin 18 taona ihany koa miara-manendaka aminy. Niisa 4 koa ireo naman’izy ireo tratra niaraka taminy, dia i Eric, Sylvano, Mickael ary Badjio izay efa mpamerin-keloka ka sasatry ny miditra am-ponja

Ho an’ilay vehivavy tokana saron’ny polisy kosa dia tratra ambodiomby nangalatra teo anivon’ity mpivarotra iray eo anivon’ny fitsarana eto Toamasina. Ireo fakan-tsary mipetraka manodidina sy anatin’ny fitsarana ankehitriny no nahasaronana azy tsy afa-niala. Ity vehivavy tratra ity anefa araka ny vaovao teo anivon’ny fitsarana dia fianakaviana mpisolovava miasa eto Toamasina.

Ankoatra izay, araka ny vaovao voaray teo anivon’ny fitsarana dia afaka teo anivon’ny fitsarana avokoa ireo telo lahy tratran’ny polisy nitoraka ny fiaran’izy ireo nanao fisafoana alina tao Depot Analakininina ny sabotsy teo. Ny antony, araka ny fanazavana hatrany, dia havan’ny olom-boafidy eto Toamasina ny iray tamin’ireo voasambotra ireo, ka ny fanelanelan’ity depiote ity no nahatonga ny didy “LP”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici