- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsobolo – Bibilava : Fatin-dehilahy iray vaky loha hitan’ny olona

Antsobolo – Bibilava : Fatin-dehilahy iray vaky loha hitan’ny olona

Ny talata alina no nahitan’ny mpandalo fatin-dehilahy iray teny amin’ny faritra Antsobolo-Bibilava. Voalazan’ny vaovao fa toa efa tsy nisy aina intsony ity olona ity tamin’izay fotoana izay. Avy hatrany dia nisy nampandre ireo tompon’andrikitra isan-tsokajiny teny an-toerana. Rehefa nojerena akaiky ilay izy dia fantatra fa vaky ny lohany. Nampandrenesina ihany koa ny mpitandro filaminana. Rehefa vita moa ny fizahana ifotony dia nentina tany amin’ny tranom-paty HJRA ny razana. Voamarina tamin’izany ny fisian’ny ratra teo amin’ny lohan’ity lehilahy namoy ny ainy ity. Tokony ho 53 taona izy io ary voalaza fa nonina teny Ambohipo. Efa mandeha ny fanadihadiana raisin’ny mpitandro filaminana amin’izoa fotoana izao. Mbola tsy fantatra mazava aloha ny antony nahafaty azy.

Besarety.  Fa mbola tamin’ny talata ihany no nahitana fatin-dehilahy nitsitra teo amoron-dalana teny Besarety. Ity olona ity dia tsy misy nahafantatra azy ny teny amin’ny manodidina. Karazan’ireo olona tsy manana fialofana ireny izy io. Nitsirara teo amin’ny sisin-dalana. Mbola nisy akanjo teny ankodiny tamin’ny nahitana ny razana. Efa eny amin’ny tranom-paty Ampefiloha koa ny razana amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici