Na dia niezaka nanao fanarahan-dia aza ny fokonolona maro be dia tsy tazana intsony izay tena nizoran’ny dian’omby, niveri-maina ny fokonolona na dia efa lasa an-kilaometatra maro aza.
Nisehoana halatr’omby, na irony antsoina hoe rainizavona irony tao amin’ny fokontany Ankerambe kaominina Ambalo ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Omby roa no voalaza fa lasan’ireo mpisoko tamin’izany. Vao maraina dia efa samy nifampilaza ny fokonolona teo amin’ny manodidina ka niroso avy hatrany nanaraka ny dian’omby, nambaran’ireo mpanara-dia fa tsy nampandre ny zandary aloha izy ireo noho ny fahamaizana haranaka ny dian’omby sao mbola tsy lasa alavitra. Na dia efa nandeha an-kilaometatra maro aza anefa ireo vatan-dehilahy efa am-polony maro dia tsy nahitam-bokany ny ezaka natao. Nilaza ny hiverin-dalana moa izy ireo ny talata efa hariva raha sendranay teny an-dalana.
Andry N.