Nanafika indray ny dahalo tao amin’ny kaominina Mangarano, distrikan’Antsirabe faharoa. Omby 11 no fantatra fa lasan’ireo dahalo ary mihorohoro fatratra ny mponina fa mbola nandrahona ny hiverina irao malaso.
Mandry tsy lavo loha tanteraka ny vahoakan’i Mangarano, mitaintain-dava ny fokonolona vokatry ny fanafihana sesilany mahazo iny faritra iny. Atody miady amam-bato rahateo ny vahoaka manolona ny basy sy ny hamaroan’ireo dahalo. Sarotra ny miady amin’ny dahalo hoy ny mponina any an-toerana fa ary fitaovana mihitsy ireo olon-dratsy, hany ataon’ny fokonolona dia manaiky sy manome izay alain’ireo dahalo. Toy ity fanafihana niseho tao Miarinarivo Mangarano ity, tamin’ny heriandro lasa teo, tsy fantatra mazava ny tena isan’ireo dahalo ny andro rahateo efa maizina tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any raha ny fanazavana voaray. In-droa nipoaka ny basy teo an-tanana, niampy tabataba sy ompa teny ratsy variraraka, tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona vokatry ny tahotra fa samy namitsaka tao antranony avokoa, nanara-po ireo dahalo aveo nandroaka ny omby.
Niezaka nanara-dia ihany ny fokonolona avy eo saingy tsy nahitam-bokany intsony izany.
Andry N.