Tomefy olona ny moron’ny farihy, samy nijery sao olom-patatra ity razana hita tao Andranomafana na Andranomaimbo ny fahafantaran’ny mponin’Antsirabe azy.
Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora no nisy nahatsikaritra, fa misy fatin’olona nantsingeven’ny rano tao Andranomaimbo. Vetivety, dia niely ny vaovao ary poa toy izay, dia feno olona nanamorona ny farihy amin’ny ilany atsinana iny. Inona tokoa fa lehilahy iray no tazana avy lavitra mihohoka anaty rano, tsy mihetsika intsony. Samy ontsa avokoa izay nahita ary tsy nisy sahy naka ny razana, fa samy niandry ny fahatongavan’ny polisy sy ny BMH nanao ny asany. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy 45 no tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra nijery ny zava-misy. Tsy nisy sahy naka ilay razana ankoatra ny vehivavy telo voalaza fa mpaka tsikafona eo Andranomaimbo. Rehefa tafakatr’izy telo vavy ireo ny razana, dia samy liana nijery ny mponina. Fantatra fa olona mipetra tsy lavitra ny farihy ity namoy ny ainy ity, mipetraka ao Andranovisy. Lehilahy 24 taona, manambady izy ary manan-janaka roa. Raha ny filazan’ny fianakaviany dia efa ho herinandro izy no tsy hita mihitsy. Notsipihan’ny ralahany fa tsy dia salama saina loatra izy io nefa misotro toaka ary matetika no mamo. Mpantsaka rano no asany ary mazana, dia lany amin’ny fisotroana ny karama kely mba azony hoy ny fanazavana. Fantatra ihany koa fa maty vao haingana ny vadiny.
Tsy misy afaka manaporofo hoe inona marina no tena nahazo azy, ny razana rahateo efa saika simba satria efa mibontsina ny fahitana azy ary saika efa mitsovaka avokoa ny hodiny. Le bainina no fahafantaran’ny maro azy eo Atsinanantsena Sabotsy.
Taoriana ny fizahana nataon’ny polisy sy ny BMH dia noentin’ny fianakaviany avy hatrany ny razana.
Andry N.