- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliary II : Vazaha teratany alemana hita faty tanaty « chambre »

Toliary II : Vazaha teratany alemana hita faty tanaty « chambre »

Vazaha iray, teratany alemana, no hita faty tanatin’ny efitranona hotely iray nivahinianany, tao amin’ny fokontany Mangily, Kaominina ambanivohitr’i Belalanda, distrikan’i Toliary II, ny alin’ny alahady 31 jolay hifoha alakamisy 1 aogositra  teo. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena antony nitarika ny fahafatesany. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana, fa efa tsy tomombana tsara ny fahasalaman’io lehilahy io talohan’ny nivahinianany tao amin’ity hotely nahitana ny vatana mangatsiakany ity. Efa nisy araka izany ny mpitsabo manokana  niandraikitra azy. Ny resaka nifanaovan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity farany ihany koa no nahalalàna, fa tokony  nalefa tany Toliary I ny tenany hotsaboina, saingy nandà izy. Mbola afaka namonjy toerana fihorana izy ny harivan’ny fotoana nahatongavany, ny 31 jolay. Rehefa tonga anefa ny alina, rehefa natory irery tao amin’ny efitrano fatoriany tao amin’ilay hotely nisy azy ilay vazaha, dia maty irery tao. Ny maraina kosa vao nisy nahita ny fatiny. Marihina fa tsy tena nihidy tanteraka ilay efitranony ka azo n’ny sefo fokontany nopohirina sy ireo Raiamandreny ao an-tanàna. Izy efa maty no hitan’izy ireo tao. Tamin’izany no nahitana ny kara-panondrony sy ny « passeport »-ny ka nahafantarana ny mombamomba azy rehetra fa teratany alemana ity farany. Avy hatrany ilay razana, dia naterin’ny olona sy ny solontenan’ny tompon’andraikitra, ny Ben’ny Tanàna lefitra ao Belalanda, tany amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly CHU Toliary. Ny zandary ao Mangily izay nanao ny « constat » teny amin’ny toerana nahitana ny faty no miandraikitra ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity. Marihina, fa tsy nahitana ratra na diam-bono ny vatany. Efa nampandrenesina ny amin’ny fahafatesan’ity vazaha ity ihany koa ny « Consulat allemand » eto Madagasikara.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici