- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMinisitry ny Filaminam-bahoaka Anandra Norbert : Hentitra ary tsy misangy amin’ ireo...

Minisitry ny Filaminam-bahoaka Anandra Norbert : Hentitra ary tsy misangy amin’ ireo polisy mihoa-pefy

Navohitry ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Atoa Anandra Norbert, omaly, nandritra ny tafa manokana nifanaovanay taminy, fa ho hentitra ny departemanta tantanany manoloana an’ireo polisy tsy manara-dalàna, ary tsy misangy amin’ireo mihoa-pefy zatra ny lalan-dririnina ny tenany. Raha nanontaniana kosa ny tenany mahakasika ny raharaha nahavoarohirohy  polisy mpiana-draharaha iray voasambotry ny zandary voasaringotra tamin’ny fanafihana mitam-basy teny Andoharanofotsy, dia nilaza nahitsy ingahy minisitra fa “ izay polisy rehetra manao ny tsy mety, dia tsy maintsy iharan’ny lalàna avokoa, satria tany tan-dalàna isika. Raha toa ka meloka tokoa izy amin’ny fitsarana azy dia hibaby ny asa ratsy vitany ”. Nasian’ Atoa minisitry ny filaminam-bahoaka tsindrim-peo manonkana, fa “ tsy mora ny ady amin’ny kolikoly, nefa tsy miraviravy tanàna manoloana izany izahay “, porofon’izany, hoy izy nanohy ny fanazavany ny nametrahana ny polisy ekonomika sy ny IGPN (Insépection Général de la Police Nationale) hanao fanadihadiana manokana anatiny momba ireo polisy na “police de police”. Fepetra noraisina ireo, hoy hatrany ingahy ministra, mba hirindran’ny asa hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny polisim-pirenena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici