Tovolahy iray vao erotrerony, 21 taona monja, no namoy ny ainy teo am-pitondrana môtô rehefa avy nifatratra tamina andrin-jiro iray. Ny alarobia alina, manodidina ny tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any, teny Andrefan’Ambohijanahary no nitrangan’ny loza. Vaky tanteraka ny lohany, potika tsy nisy nahafantarana azy intsony ihany koa ny tarehiny. Simba be ihany koa na ilay môtô nentiny na ny aro-loha nanaovany tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana tonga nanao ny “constat” teny an-toerana, dia ny fokonolona nahita ny loza no nampandre haingana azy ireo. Ireto farany avy eo no nampilaza ny namany. Omaly maraina kosa vao afaka nitantara ny zava-misy tamin’ny fianakavian’ny maty ilay namany noho ny halaviran’ny toerana misy azy ireo. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena nitarika ny loza. Tsy voafaritra mazava noho izany na mamo ity farany na tsia tamin’io fotoana nitondrany môtô io ka nampifatratra azy tamina andrin-jiro. Ny fanadihadiana nataon’ny polisy hatrany no nahalalàna fa avy any Soanierana avy nanatitra akanjo mafana ho an’ny rahalahiny ka andeha hamonjy fodiana any Ankazomanga izy izao niharan-doza izao. Tamin’ny alalàn’ny finday teny aminy kosa no niantsoan’ny polisy ilay namany izay nampilaza ireo havany. Marihina fa tsy mipetraka eto an-drenivohitra ny ray aman-drenin’ity tovolahy niharan-doza ity fa ny fianakaviany akaiky hivantanany any Ankazomanga no nandeha namonjy azy teny amin’ny tranom-paty teny amin’ny hopitaly HJRA. Miandry ny fahatongavan’ny ray aman-dreniny araka izany vao afaka mitondra sy mandevina ny razana ireo fianakaviany.
Niony H.