Taorian’ny baiko hentitra nomen’ny tale provinsialin’ny filaminam-bahoaka Toamasina, dia nandray izany ary nanao “Operation” goavana amin’ny fifehezana ny filaminam-bahoaka sy fanaraha-maso ireo andian-jiolahy ny polisim-pirenena eto Toamasina. Mitohy hatrany izany hatramin’izao.
Ho an’ny UIR (Unite d’Intervention Rapide) ao amin’ny polisy Toamasina, taorian’ny fahazoana vaovao raha nisy ny fitorian’ity mpivarotra “plaque solaire” iray nitrangan’ny halatra, dia nisy ny sarika am-pandriana nataon’izy ireo omaly vao mangiran-dratsy tao Tanambao Verrerie nisy ny trano fonenan’ilay ahiahiana. Nandritra ny hetsika natao hisamborana an’Ingahy Brice 36 taona anefa, dia nisy ny fanoherany an’ireto polisy nisambotra azy. Nikasa handositra izy izao maty voatifitra izao. Voalazan’ny angom-baovao tamin’ireo mpiara-monina aminy faa isan’ireo jiolahy mpitarika andiany hafa amin’ny halatra “batterie”, ana kamiao miantsona, sy “plaque solaire” an-tranon’olona na eny amin’ireo mpivarotra izy ity; nisy aza sahy nijoro vavolombelona mihitsy fa tena jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana Ingahy Brice, izay nahavitany nanangan-trano sy nividy posy maro be nampiasany. Tapitra namidy avokoa anefa ireo rehetra ireo taty aoriana noho ny fidirany am-ponja lava amin’ny halatra sy asan-jiolahy fanaony, afa-tsy ny trano ipetrahany ihany sisa. Tsy niteny izy ireo noho tahotra ny valifatin’Ingahy Brice.
Mbola nohamafisin’ny polisim-pirenena Toamasina hatrany fa ny fametrahana filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny filaminam-pirenena no tanjona amin’izy ireo. Koa tsy handeferany ho an’izany mikasa ny tsy hisian’izany ka hampahory vahoaka fotsiny.
Malala Didier