- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTanambe Alaotra : Maty nisy nitifitra ny vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha

Tanambe Alaotra : Maty nisy nitifitra ny vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha

Ny alakamisy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora mahery kely, maty nisy nitifitra ny vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha any Tanambe Alaotra. Teo anoloan’ny vavahady miditra ny tranon’izy ireo no namelezan’ny sasany azy avy any aoriana. Efa nanomboka ho maizina ny andro tamin’io fotoana io. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa  telo mianaka izy ireo no teo ambony moto, ilay lehilahy, ramatoa vadiny ary zanany iray. Nidina hamoha vavahady ilay ben’ny tanàna teo aloha no nirefotra ny basy. Somary niondrika kely izy tamin’izay ka ny vadiny no niantefan’ny bala teo amin’ny lohany. Lavo nianjera tamin’ny tany izy. Indray mandeha ihany ny feom-basy, hoy ny vaovao. Tsy naninona kosa ilay zaza sy rangahy. Raha vao voa ilay vehivavy dia nojerena ka rà nijininika no nahalalana fa voatifitra ilay ramatoa. Avy hatrany dia niezaka ny rehetra nitondra azy tany amin’ny hopitaly Ambatondrazaka. Teny an-dalana anefa dia tsy tana ny ainy. Rehefa nojeren’ny mpitsabo ny razana dia voalaza fa tavela tao anaty lohan’ny ilay olona ny bala. Fantatra tamin’izany fa ireny karazana « chevrotine » ireny no nampiasaina. Nandeha avy hatrany ny fahadihadiana sy ny fikarohana izay nitifitra. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy olona voasambotra. Ny zandary avy ao Ambatondrazaka sy Tanambe, no miandraikitra miaraka ny famotorana.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici