Noho ny antony tsy fantatra, lehibena foibem-panadinana iray ao amin’ny « lycée mixte » any amin’ny distrikan’Ambanja no nisy nanindrona antsy. Raha zohina ny zava-nisy, ny alakamisy 4 aogositra lasa teo, manodidina ny tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any, mpitondra bisikileta iray no efa niandry kendritohana an’ity lehiben’ny foibem-panadinana any an-toerana ity. Raha iny izy avy nandalo ny birao fiasany ka nandeha namonjy fodiana tany amin’ny efitrano fatoriany, izay mifanila eo ihany, no nisakana azy avy hatrany ilay lehilahy mpitondra bisikileta. Avy hatrany ity farany dia nanindrona antsy azy. Nitolefika tanteraka ilay « chef de centre » satria tena naratra mafy tokoa noho izany. Ilay jiolahy kosa dia rifatra lasa nitsoaka. Ireo olona sendra nahita ny zava-niseho no nitondra haingana ilay naratra tany amin’ny hopitaly CHD Ambanja hotsaboina. Efa eo am-pelatànan’ny polisy ao Ambanja ankehitriny ny raharaha. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ary efa mandeha ihany koa ny famotorana.
Niony H.