Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity olon-dratsy ity no maty tsy tra-drano lavon’ny balan’ny tompon-trano. Omaly maraim-be raha mbola maizina tanteraka ny andro, manodidina ny tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any, tokantrano iray misy efitra maromaro fa tsy misy rihana eny Ambohimiandra no nokasain’ny andian-jiolahy miisa telo hotafihina saingy tsy tanteraka izany. Efa niandry kendritohana azy ireo ny tompon-trano tamin’io fotoana io ka raha vantany vao tafiditra ny varavarana fotsiny izy ireo dia norarafin’ilay tompon-trano tamin’ny basy. Vokany : iray tamin’izy ireo no maty tsy tra-drano avy hatrany. Tifitra teo amin’ny lohany tandrify ny maso sy ny fihirifany no nahazo azy tamin’izany ka nahafaty azy teo no ho eo. Tafaporitsaka nandositra kosa ireo jiolahy roa namany. Tsy nisy noho izany ny zavatra very satria fikasana tsy tanteraka ihany ny an’ireto olon-dratsy ireto. Ny olona nahare ny poa-basy no niantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany nijery akaiky ny toe-draharaha. Ny fanadiahadiana notanterahin’ny polisy notarihin’ny Kaomisera Rafalimanana Alain, lehiben’ny Polisy ao amin’ny boriborintany faharoa, no nahafantarana fa nopitsohin’ireo olon-dratsy ireto ny hidin’ny vavahady mankany amin’ilay trano. Teo am-pamohana ny varavarana tamin’ny efitra iray kosa no nitifiran’ilay tompon-trano azy. Notazonina nanaovana famotorana etsy amin’ny borigady misahana ny ady heloka bevava, na « Brigade criminelle », izay miandraikitra feno ity raharaha ity ilay tompon-trano. Ny razan’ilay jiolahy voatifitra kosa dia efa naterin’ny BMH eny amin’ny tranom-paty eny amin’ny hopitaly HJRA.
Niony H.