- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Aparitaka amin’ny “tuc – tuc” sy “bajaj” ny vola...

Toamasina : Aparitaka amin’ny “tuc – tuc” sy “bajaj” ny vola sandoka

Mitaraina ireo mpitondra “tuc – tuc” sy “bajaj” eto Toamasina izao, fa misy ireo manome vola sandoka azy ireo amin’ny saran-dalana  ka mizaka ny vokatr’izany izy ireo eo am-panaovana ny fandoavam-bola amin’ny tompon’ny “tuc – tuc” sy “bajaj”, satria voatery manolo ireo vola sandoka azony.

Raha ny fanazavan’ny iray tamin’izy ireo, dia ny vola: 2.000 ariary, 5.000 ariary ary 10.000 ariary no tena ahitana ity vola sandoka azon’izy ireo ity. Tsy hain’izy ireo hoe iza tamin’ireo mpanjifany no mpanome izany, satria eo am-pandoavam-bola hatrany vao hita ireo vola sandoka ireo; izay mahatratra 100.000 ariary ny fitambarany amin’ireo mpitondra “tuc – tuc” sy “bajaj” rehefa tonga eny amin’ny “patron”-n’izy ireo. Tato ho ato vokatr’ izany, dia nanomboka mailo amin’ireo mpanjifany ireo mpitondra “tuc – tuc” sy “bajaj” ireto; ka misy hatrany ny fisavan’izy ireo ny vola raha vao ireo vola ahitana sandoka ireo, 2.000 – 5.000 – 10.000 ariary no omen’ireo mpanjifany azy ireo, ho saran-dalana.

Tsy mbola nisy anefa ny fitoriana na ny fitarainan’ireto mpitondra na tompon’ireo “tuc – tuc” sy “bajaj” eto Toamasina ireto tamin’ny mpitandro ny filaminana misahana ny resaka ara-toekarena, sy ny polisy misahana ny heloka be vava, na eo aza ny fahazoan’izy ireo matetika izany vola sandoka izany. Tsy mbola nisy ihany koa anefa ireo sehatra ara-barotra hafa nitaraina mikasika izany hatreto…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici