- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Taxi-brousse niharan-doza, nahafaty zaza telo

Vavatenina : Taxi-brousse niharan-doza, nahafaty zaza telo

Ny lehiben’ny faritra nijery ifotony ny loza
Ny lehiben’ny faritra nijery ifotony ny loza

Fisavana etsy, fisafoana eroa, izay no zava-misy amin’ny lalam-pirenena faha-5, saingy tsy mahasakana ireo fiara mpitatitra mbola handeha mafy izany. Raha vao miala eto Toamasina dia fisavan’ny lehiben’ireo koperativa, ny polisy ary zandary ny mampijanona matetika ireo fiara mpitatitra; miisa 12 izany hatrao Fenoarivo atsinanana, raha  10 kosa ny fisavana hatrao Vavatenina.

Ny sabotsy teo anefa, dia Mazda mena an’ny koperativa Fenosoava no latsaka tany an-kady izay mbola nivadika ambony ambany, teo am-pidirana an’i Maromitety 15km tsy hidirana an’i Vavatenina. Vokany  zazakely vao 3taona no maty tsy tra-drano, mpandeha 15 hafa naratra mafy izay ny fahatapahana sy fidonan’ny loha mafy no mahazo azy ireo. Efa nahazo fitsaboana teo anivon’ny hopitalin’i Vavatenina sy Fenoarivo atsinanana ireo naratra. Raha ny fanazavana marim-pototra avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia ny mpanampy ny mpamily no nitondra ny fiara satria tsy niasa ny tena mpitondra ity fiara mazda ity. Nandeha mafy anefa izy noho  ny ataon’ny mpamily hoe “dona miverina”. Nijery akaiky ity lozam-pifamoivoizana ity ny lehiben’ny faritra Ramaroson Jacques niaraka tamin’ny prefen’i Fenerivo atsinanana; niantohany avokoa ny fitsaboana ireo naratra, nomena fanampiana ihany koa ny ray aman-drenin’ilay zazakely 3 taona maty.

Na naratra mafy vokatry ny loza aza ilay mpanampy ny mpamily nitondra ny fiara, izay neken’ny koperativa niainga ihany izy ireo, dia nitsoaka tsy hita ny tenany hatreto izay mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana. Ny tomponandraikitry ny koperativa Fenosoava koa hatreto mbola tsy hita ny hetsika fanampiana nataon’izy ireo mikasika ireo naratra sy ilay zazakely maty…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici