- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversManja : Zandary iray maty voatifitra

Manja : Zandary iray maty voatifitra

Ny faha-8 aogositra teo, tokony ho taminn’y 1 ora sy sasany maraina, zandary iray nivoaka nivalan-drano no maty notifirin’olon-tsy fantatra tany amin’ny toerana antsoina hoe Antanimbary, kaominina Morafena, any amin’ny disitirikan’i Manja any Menabe. Zandary efatra avy ao amin’ny borigady Marerano no nanatontosa iraka tany Marerano. Nivoaka ny trano ny iray antsoina hoe Rakotozandry Tovonirina Jean Ludivin. Sendra ny tsy nampoizina izy io satria dia nisy nitifitra azy. Ny loharanom-baovao no ilazana fa olona tsy fantatra hatramin’izao no nanao io famonoana io. Tsy mbola mazava ihany koa ny antony. Raha vao nahafantatra ny vaovao ny tompon’andraikitra notarihan’ny komandin’ny kaompania Manja dia nandeha tany an-toerana nijery ny zava-nisy. Nosokafana ny fanadihadiana ahafantarana izay tena nahatonga izao fitifirana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici