- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Lehilahy roa tratra nitondra basy tsy ara-dalàna

Ankadikely : Lehilahy roa tratra nitondra basy tsy ara-dalàna

Lehilahy iray indray no tratran’ny zandary tetsy Ankadikely Ilafy, ny herinandro lasa teo, nitondra basy poleta tsy nahazoana alalàna. Nandeha alina ity rangahy ity ary tamin’ny fisavàna nataon’ireo mpitandro filaminana no nahitana izany teny aminy, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy vitan’izay fa mbola nitondra fanamiana ambony fitondran’ny mpitandro filaminana ity olona ity, ary fehinkibo sy tranom-basy fampiasan’ny mpitandro filaminana hatrany. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ity lehilahy ity, rehefa hita fa tsy nisy taratasy nahafahana mitazona an’izany fitaovam-piadiana izany tany aminy. Tamin’ny fanadihadiana, hoy ny vaovao, no nanondroany ny namany iray, izay voalazany fa tompon’ity basy poleta teny aminy ity. Marihana fa basy vita gasy izy ary niaraka tamin’ny “chargeur”. Fiarovan-tena sa olon-dratsy niomana ny hanafika ? Raha ny fanazavàna azo dia tsy mbola nisy fandrobana na asa ratsy vitany talohan’izao nahatratrarana azy roalahy izao. Amin’izao fotoana izao tokoa dia saika mitondra ireny fitaovana natokana ho an’ny mpitandro filaminana ireny ireo olon-dratsy. Eo anatrehan’izay indrindra, raha ny fanazavàna azo dia hisy ny fepetra horaisin’ireo mpitandro filaminana, amin’ny fisavàna sy fisafoana manerana ny tanàna, indrindra fa amin’ny alina. Marihana fa enjehin’ny lalàna tanteraka eto amintsika ny fitondrana fitaovam-piadiana maherivaika toy ny basy, ka tsy nahazoana alalàna, eny fa na dia hoe natao hiarovan-tena aza izany. Omaly izy roalahy ireto no natolotra ny Fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika.

m.l

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici