- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversEspérance « Black nadia » : « Tsy izaho ilay kopikolé niharan’ny...

Espérance « Black nadia » : « Tsy izaho ilay kopikolé niharan’ny tora-bato tany Manakara »

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia naneho ny heviny i Tiana Jeannick Esperance, ilay nandrombaka ny lalao kopikolé noho ny fitovizany tarehy sy fihiràna tamin’ny mpanakanto Black Nadia. Izany dia taorian’ilay fampisehoana tokony niakaran’i Black Nadia an-tsehatra tao Sahasinaka-Ikianja.  Tezitra anefa ny olona satria tsy io farany no tonga tao fa vehivavy iray izay voalaza fa kopi-kolé. Raikitra ny tora-bato izay nanimba ny lapihazo sy ny teo amboniny, ny harivan’ny asabotsy teo. Manoloana izany indrindra dia nanazava i Espérance fa tsy izy velively no voakasik’ilay raharaha. « Nandritra ny roa herinandro aho izay no tsy niala teto Toamasina », raha araka ny teniny. Mendrika hofaizina hatrany ny olona mamitaka vahoaka toa ity nitranga ity. Sady manimba ny anaran’ny mpanakanto no manimba ny tontolon’ny fikarakarana hetsika ihany koa. Raha ny fantatra mantsy ankehitriny dia maro ny mitondra anaran’ny mpanakanto amin’izao ary misoloky etsy sy eroa manao fifanarahana. Andrasana ny hetsiky ny zandary ao Sahasinaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici