- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversBasy vita gasy 7 tra-tehaka, olona roa voasambotra

Basy vita gasy 7 tra-tehaka, olona roa voasambotra

Mianadahy mpanamboatra basy vita gasy indray no tra-tehaky ny polisy tao amin’ ny fokontany Ambalanomby Kaloa Toliara, afak’omaly. Basy vita gasy  fito (basim-borona 6, PA 1) izay mbola teo am-panamboarana niampy bala maromaro telo boaty ihany koa sarona tamin’izy ireo. Fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahazoam-bokatra. Nanaovana fidinana tampoka sy fisavana ny trano ny mpitandro filaminana rehefa nahazo ny vaovao, ka tra-tehaka teo am-panamboarana ireo basy ireto voasambotra, izay avolenta tokoa ny fitaovana isan-karazany fanamboarana basy sy balan’izy ireo. Mitohy ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ka olona avy any Ankazoabo voalaza fa tompon’ireto basy no karohina fatratra amin’izao, hoy ny loharanom-baovao. Raha ny fanazavana azo tokoa mantsy, dia anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy/dahalo any Atsimo ny fiparitahan’ny basy vita gasy izay fitaovam-piadiana mahery vaika tokoa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici