Mpanendaka telo lahy indray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Ambohimanarina. Ny vaovao no nahalalana, fa nanendaka lehilahy teny Ambatolampy izy telo ireo ka very tamin’izany ny finday roa. Avy hatrany dia niantso polisy ilay lehilahy ka tsy ela dia tratra ny iray tamin’ireo bandy. Izy io indray no nanoro ny namany roa lahy. 20 ka hatramin’ny 23 taona izy ireo. Amin’iny faritra iny no tena fanaovan’ireto lehilahy ireto ny asa ratsiny.
Omaly 9 aogositra no natolotra ny Fampanoavana izy telo ireo.
r.s.