- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpandraharaha voasakan-dalana, lasa ny vola 8 tapitrisa ariary

Andoharanofotsy : Mpandraharaha voasakan-dalana, lasa ny vola 8 tapitrisa ariary

Mpandraharaha iray amina resaka fiompiana no lasibatry ny jiolahy mitam-basy ny harivan’ny alatsinainy lasa teo, raha iny izy hamonjy fodiana iny, teny Belambanana, Andoharanofotsy. Vokany vola mitentina eo amin’ny valo tapitrisa ariary eo ho eo no lasan’ireto olon-dratsy, niampy antontana taratasim-bola  roa. Araka ny fampitam-baovao azo dia mety ho efa nomarihan’ireto jiolahy ny fe-piainan’ity mpivarotra “provende” sy zanak’akoho : ny ora fiaingany ao an-trano, ny ora fodiany, ny lalany sy ny tariny. Raha teo am-bavahady hiditra ny trano fonenany mantsy izy no nosakanan’ireo jiolahy telolahy mitondra basy poleta ny fiara R21 noentiny. Tsy nisy afa-tsy izy irery no tao anatin’ilay fiara raha ny angom-baovao. Ary mba nentin’ireo mpanafika nampitahorana azy dia nanapoaka basy, nanao tifi-danitra iretsy farany. Teo anatrehan’ny basy sy ny tahotra ny amin’ny ain-dehibe dia voatery nijanona sy nanaiky izay notenen’ireto mpanakana ilay rangahy. Avy hatrany dia ny vola tany aminy no notakian’ireo olon-dratsy. Nentin’izy ireo nitsoaka avy hatrany kitapo misy ireo volabe ireo, miaraka amin’ny antontan-taratasy maro. Tetsy an-danin’izay, noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nivoaka ireo olona teo amin’ny manodidina. Efa lasa ireo mpanafika vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo voatafika. Nidina teny an-toerana avy hatrany iretsy voalohany, nanao savahao ny manodidina, saingy nanjavona ireo telolahy. Azo inoana fa mety tsy lasa lavitra ireto farany fa mety nisitrika tany ho any na mety ho eo akaiky eo mihitsy aza. Toy ny zava-nitranga vao haingana teny amin’iny faritra iny hatrany. Saingy ny fanadihadiana ihany no afaka hanamarinana izany. Hatreto dia tsy misy afa-tsy taim-bala iray, niaraka tamin’ny bala mbola sy nipoaka no hitan’ireo mpanao fanadihadiana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici