- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTanambe Amparafaravola : Mihorohoro ny mponina tamin’ny nitifirana ilay renim-pianakaviana...

Tanambe Amparafaravola : Mihorohoro ny mponina tamin’ny nitifirana ilay renim-pianakaviana tsy manan-tsiny

Vahoaka malahelo sy mihorohoro ny mbola hisian’ny fampihorohoroana hitranga indray,  no hita tao Tanambe Amparafaravola, tamin’ny andron’ny famoahana ny razan’ilay renim-pianakaviana izay nisy nitifitra tamin’ny lohany . Raha tsiahivina, dia nody hiditra ny tranony izy telo mianaka tamin’io fotoana io tokony tany amin’ny 6ora sy sasany hariva tany ho  any, ny  4 Aogositra 2016 teo  ka môtô lehibe iray no nandehanan’izy ireo,teo am-bavahady anefa dia efa nisy olona niandry ka nitifitra ny lohan’ilay vehivavy ka maty tsy tra-drano ,nandositra rehefa avy teo ilay olona nahavanon-doza .Ilay raim-pianakaviana kosa tsy nahalala fa noheveriny ho vaky ny kodiarana ka taitra noho izany ilay vadiny dia nianjera ,rehefa nojerena anefa dia izy efa mihoson-drà tao anatin’ny haizina no  hitan’izy mianaka ,nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ihany fa efa tsy avotra ny ainy

Miely ny feo mampatahotra ny vahoaka amin’izao fotoana izao, fa mbola hisy olona hafa hovonoina indray, ka izay no maha-mailo ny mponina. Araka ny nambaran’ny fianakaviana, dia tsy hanaiky hatramin’ny farany izy ireo ary efa misy fanadihadiana miafina natao ankoatra ny an’ny mpitandro ny filaminana ka ho hita eo. Anisan’ny lohandohany tsy mankasitraka ny fitrandrahan’ny vahiny ny volamena ao Beanana sy ny manodidina ny vadin’ilay ramatoa novonoina, niely rahateo ny feo sy ny resaka tao Tanambe, fa ilay rangahy no lasibatra fa ilay ramatoa no voa, ka mety mbola hitohy ny herisetra. Ny zava-misy ao Tanambe aloha, dia efa niala maraina tao Tanambe ny zoma  05 aogositra 2016 teo ireo sinoa voalaza fa mpitrandraka volamena.

 Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici