Tamasina I : Mpivaron-kena maty nisy nitifitra
Mifonja 10 taona asa an-terivozona ny vadiny voaheloka ho tompo-marika
Isan’ny niteraka resa-be teto Toamasina ny taona 2014 iny ny raharaha hanafaty ilay mpivaron-kena metisy sinoa. Teo ambony moto-ny. Hamonjy ny tsenany izy ity no nisy nitifitra avy hatrany teo amin’ny bazary may Ankirihiry, ireo teny aminy koa nandritra izay tsy nisy nangalatra akory.
Niakatra fitsarana ady heloka be vava tao amin’ny fitsarana ambony ny raharaha raha roa taona niandry ny tena marina ny fianakavian’ny maty izay mpitory tamin’izao raharaha famonoana ny havany izao. Ilay ramatoa vadin’ny maty izay voalaza fa tompo-marika tamin’ny famonoana sy nanarama olona hamono ny vadiny, sy ny zanaky ny rahavaviny ary ny vadin’ny rahavaviny kosa izay voalaza fa namita ny hiraka sy nanao ny fitifirana ilay mpivaron-kena, no voampanga tamin’izao raharaha izao.
Niezaka ny nanazava ny tsy idirany tamin’ity raharaha ity ilay ramatoa vadin’ny maty, tamin’ny filazana fa tsy teto Toamasina izy nandritra ny zava-nitranga fa nitsabo an-dreniny tany ambanivohitra, dia namoaka ny mifanohitra tamin’izany ny fitsarana noho ilay reniny tena narary saingy efa notsaboina teo anivon’ny hopitaly be tamin’ny fotoana nitrangan’ny raharaha io. Nivoaka nandritra ny fitsarana aza fa na 30 taona nivadiana aza izy roa izay tsy nanan-janaka mihintsy, dia tsy nahasakana an’ilay ramatoa nampirafy izany ka niteraka disadisa teo amin’izy roa izay nihamafy hatrany izany.
Koa ho an’ny fianakavian’ny maty dia tsy afa-miala tamin’ny famonoana ny havany ilay ramatoa ary nenjehany hatramin’ny farany. Raha namoaka ny didy ny mpitsara dia 10 taona asa an-terivozona no azon’ity ramatoa ity; ilay zanaky ny rahavaviny kosa nahazo 05 taona asa an-terivozona ihany koa, raha nohafahana fitsarana ady heloka be vava noho ny fisalasalana ny vadin’ny rahavaviny.
Malala Didier
Foulpointe: resaka ady tany
Nivadika ho famonoana olona feno habibiana.
Isan’ny tranga mampitombo ny fanaovana heloka be vava tonga eo anivon’ny fitsarana Toamasina, ny resaka ady tany lasa fifanolanana goavana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana, ka lasa ady heloka be vava nihafarany noho ny tranga na fifamonoana eo amin’ny mpiaraha-monina.
Tranga iray ity niakatra fitsarana ady heloka omaly teto Toamasina ity, izay nitranga tao amin’ny tanana Antanimena fokontany Morarano kaominina Mahavelona Foulpointe ity. Olana ara-tany teo amin’Atoa Tsirivelona Marcel sy ny fianakavian’i Bao, izay mbola manana rohim-pihavanana aminy ihany; dia vitan’ity farany no nanarama olona hamono an’ingahy Marcel tao an-tranony andro alina. Vitan’ireo nirahiny ny famonoana an’i Marcel, saingy mora tamin’ny mpitandro ny filaminana no nanao ny fanadiadiana satria voan’ny antsin’ilay Marcel novonoina tamin’ny fanetehana azy sy ramatoa vadiny niaro am-badiny ihany koa, ny roa tamin’ireo tonga tao an-tranon’izy tamin’io fotoana io. Sarona tamin’izany ingahy isany Tofy Jeannot sy Moussa Donnee ilay naratra voan’ny antsy, mbola misy efa-dahy kosa tsy mbola hita hatreto niaraka tamin’izy roa lahy ireto. Izy roa lahy voasambotra anefa nandritra ny fakana am-bavany azy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mpanao famotorana, dia naka namana tamin’ireo mpiray tanana taminy, ka lasa voasaringotra tamin’ny raharaha ingahy isany, Jerisoa, Radona izay mbola tsy ampy taona, Benjamin, Michel, Jaona, Florent, Jeremy. Raha ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana omaly dia 100.000 ariary avy no karaman’ireto nirahina namono, satria 600.000 ariary ny vola nomen’ny fianakavian’i Bao azy ireo taorian’ny hiraka.
Tsy nihandry ela ny mpitsara namoaka ny didy taorian’ny fifandaharana, ka sazy am-ponja asa an-terivozona 10 taona no azon’ingahy isany Tofy Jeannot sy Moussa Donnee, raha nohafahana noho ny fisalasala kosa ny ambiny rehetra tamin’ny filazan’izy roa lahy tsy mihazona azy ireo intsony.
Malala Didier