Omaly maraina tamin’ny 8 ora no nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tranony teny amin’ny faritry Sabotsy Namehana. Olona eo amin’ny 47 taona izy io. Rehefa avy nanao ny fizahana ny mpitandro filaminana sy ny dokotera dia nilaza fa ohatra ny namono teny ity lehilahy ity. Nisy mihitsy aza ny filazana fa toa hoe efa nomaniny izao zavatra izao. Efa nanao fitafiana fotsy ny lehilahy ary nametraka hafatra ho an’ny vady aman-janany. Izay zavatra izay no hita tamin’ny fizahana nataon’ireo tompon’andrikitra, araka ny vaovao voaray avy amin’izy ireo. Izay vontoatin’ny hafatra moa tsy nisy nahafantatra, hoy ny mpitandro filaminana.Tsy vao izao moa no nisy toe-javatra namoizana an’olona fa efa imbetsaka mihitsy. Amin’ny ankapobeny, vokatry ny famoizam-po no matetika fantatra. Vao tamin’ny alatsinainy, tovolahy iray no nanapitra ny ainy tany amin’ny tananan’i Toliara. Famoizoam-po no nanosika azy hanao izany. Tety amin’ny faritry ny renivohitra, tsy vitsy ny tranga efa niseho. Herinandro vitsy lasa izay, tovolahy iray no hita faty nihantona teo ambony hazo tetsy Alarobia tsy lavitra ny siniben-drano. Na dia efa nandeha aza ny fandihadiana, tsy mbola nisy mangirana ny antony nahatonga ity tovolahy ity nanafohy ny andro nihainany.
r.s.