- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversBy-Pass : Saofera maty irery tao anaty fiara

By-Pass : Saofera maty irery tao anaty fiara

Tsy nahitana ratra ny vatany raha ny fahitan’ny olona azy vao maraina. Raha saika hanaitra toy ny fanaony isa-maraina an’ilay saoferany ny tompon’ny fiara no taitra raha tsy nahita itsy voalohany nihetsika mihitsy. Novohaina ny fiara ary teo no hita fa vatana efa tsy misy aina intsony no tao anatiny. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo izany, omaly, tetsy amin’ny By-pass. Nihevitra ny olona fa fahatapahana lalan-drà no nanjo ity mpamily ity. Amin’ny raharaha toa izao anefa, satria nisy ny maty, dia tsy maintsy nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana, tafiditra ao anatin’izany ny fitsirihan’ny mpitsabo ny razana, alohan’ny hilazàna izay tena antony nahafaty azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici