Tsy voafehin’ny talem-paritry ny Jirama Toamasina intsony ireo mpiasany, satria isan’ny olana goavana misy eto Toamasina izao ny resaka kaonteran-jiro ka misy amin’ireo mpiasa mibizina izany, nefa voalaza fa henjana ny fanaraha-maso sy ny fametrahana lalàna eo anivon’ny Jirama Toamasina.
“Kaontera ara-dalana”. Tratran’ny polisy am-bodiomby tao Tanamakoa P/elle 12/12, omaly, niaraka tamin’ny fitaovana samy hafa ny lehilahy iray izay fantatra fa mpiasan’ny Jirama ihany. Andro maromaro anefa no nanaraha-maso azy noho ny fitarain’ireo olona nakany vola 1.000.000 ariary mandritra ny fametrahana kaontera, nefa tsy mahazo faktiora. Raha ny fanazavany, dia izany mpiasan’ny Jirama ihany avy aty Antananarivo no mpamatsy azy ireo kaontera sy ireo kojakoja hafa izay vidina 300.000 ariary, ireo mpiasan’ny Jirama Toamasina roa lahy izany kosa no mpanome ireo adiresin’ireo olona tena mila maika ireo kaontera ireo. Midika izany, fa “kaontera ara-dalana” hosoka mivoaka avy eo anivon’ny Jirama ireto ary tena mbola vaovao raha ny fanazavany.
Adiresin’olona 13. Tamin’ny fahatrarana an’ilay lehilahy voalohany izay tonga manokana eto Toamasina hanao ny fametrahana kaontera fotsiny, dia mbola nahatrarana adiresin’olona efa nahavita tombam-bidin’ny fampidirana jiro teo anivon’ny Jirama Toamasina niisa 13 be izao; mbola tratra teny aminy ihany koa vola 500.000 ariary, ary ireo antontan-taratasy maromaro samy hafa famoahana ny entana teo anivon’ny Jirama sy ity orinasa iray fakan’ny Jirama fitaovana hafa miaraka amin’ireo kaontera. Raha izao zava-misy izao, dia tena tamba-jotra matanjaka misy eo anivon’ny orinasa ity resaka fametrahana “kaontera ara-dalana” hosoka an-tranon’olona tsy hahazoana faktiora ity.Inoana izany fa efa maro ireo tokantrano manana jiro nefa tsy mpandoa vola eo anivon’ny Jirama akory amin’ireo laniny.
Tsy vao sambany anefa no nahatrarana tahaka izao raharaha izao teto Toamasina, fa misy hatrany ny fanelanelanana ataon’olona ao anatin’ny tamba-jotra any ambadika eo anivon’ny fitsarana, ka ireo tratra hatramin’izay miisa 15 teo izay tamin’ity taona ity, tsy nisy niditra am-ponja akory.
Malala Didier