- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Lakana rendrika, mpandeha iray mbola tsy hita popoka

Mananara Avaratra : Lakana rendrika, mpandeha iray mbola tsy hita popoka

Tsy nisy noraisina ny entana rehetra. Mpandeha iray kosa no mbola karohina fatratra sy tsy hita popoka hatreto. Avotra kosa tetsy andanin’izay ireo olona fito hafa. Izay no vokatry ny faharendrehan’ny lakana iray mpitondra entana sy mpandeha tany Mananara Avaratra, raha niala kely, tokony ho roa kilaometatra ny tananan’Imorona, ny alarobia folak’andro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia azo heverina fa navesatra loatra ity lakana ity, kanefa nanaraka sisin-dranomasina. Manodidina ny 2 taonina teo ho eo mantsy no entana nentiny fotsiny, niampy ireo olona valo mpandeha teo amboniny. Noho izay izy nanaraka sisin-dranomasina izay, dia somary nahery ny onja ary nihozongozona ny lakana. Navesatra anefa ny zavatra nentina ka vetivety foana dia nahazo rano ary dia io rendrika io. Hatramin’ny omaly, raha ny vaovao azo hatrany, dia mbola eo am-pitadiavana io olona iray io ny fokonolona any an-toerana. Nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza an-dranomasina ity kosa tetsy an-danin’izay ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici