Mandeha dia mandeha tokoa ny raharaha mahakasika an’ilay tranga famonoana zandary roa lahy tamin’ny fombam-biby tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, iray volana latsaka izay. Noho ny fahampian’ny vaovao sy fahafenoan’ny valin’ny fanadihadiana dia niakatra Fampanoavana, ny alarobia lasa teo tany Maevatanàna ihany ny raharaha raha tokony handalo izany, ny talata lasa teo. Raha ny tatitra azonay teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, dia fito tamin’ ireo olona 26 voarohirohy sy voasambotra tamin’ity raharaha ity, izay lehilahy ny dimy ary vehivavy ny roa ambiny, no naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna. Raha zohina ny zava-niseho, zandary roa teo am-panarahan-dia omby very tany amin’iny faritra iny no nifandona tamin’ny dahalo ka lavo am-perinasa, ny alin’ny 13 jolay lasa teo. Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana azy ireo, satria norasarasaina ny antsy lava ny tongotra sy lohan’izy ireo ary notifirina ihany koa. Ho fikarohana ireo nahavanon-doza sy mba hahafantarana ny marina miafina tao ambadik’izao raharaha izao, dia nametraka paik’ady tsara rafitra entina hamandrihana ireo olon-dratsy ny zandary. Andro vitsy monja taorian’ny famonoana, dia efa nisy ny olona voasambotra. Miisa 26 izy ireo ka ny fito amin’izy ireo izany no efa naiditra am-ponja, fa ny 19 ambiny kosa mbola nafahana sy miandry ny fitsarana azy ireo amin’ny fotoana tsy voafaritra. Manoloana izany, mampanontany tena tokoa ny amin’ny firongatry ny famonoana mpitandro ny filaminana tato ho ato izay. Tsiahivina mantsy, fa nitrangana famonoana zandary ihany koa tany amin’ny distrikan’i Manja, vao tsy ela akory izay. Miantso ny fitondrana mahefa araka izany hijery akaiky ny toe-java-misy sy ny fototry ny olana amin’ny tsy fandriampahalemana manjaka ; izay mitarika amin’ny famonoana ny mpitandro filaminana am-perinasa. Mahakasika an’ity raharaha Anjiajia ity kosa, fantatra fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.
Niony H.