- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Fahrane : Tsy mbola nametraka fitoriana ny finakaviana

Famonoana an’i Fahrane : Tsy mbola nametraka fitoriana ny finakaviana

Tsy fahatokiana ny mpitandro ny filaminana ve sa kosa mbola miandry ny fandevenana aloha? Hatramin’ny omaly, dia mbola tsy nisy ny taratasy fitoriana napetraka teo anivon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana heloka bevava. Na izany aza anefa dia afaka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, satria nahakasika heloka bevava ny zava-nitranga no koa nikitikitika ny filaminam-bahoaka. Miainga amin’ny fiezahana mamantatra ireo fiara izay nampiasain’ny jiolahy ny ezaka hatramin’ny talata teo. Fiara Peugeot 405 ilay izy, saingy ny lokony kosa no niovaova isaky ny vavolombelona. Noho ny andro maizina (tokony ho tamin’ny enina ora hariva latsaka kely) dia samihafa ny fahitàn’ireo olona ny lokon’ilay fiara. Tao no nilaza fa volom-boasary ary koa ny nilaza fa manga. Ny porofo mivaingana izay azo ivalamparan’ny mpanao fanadihadiana hatreto dia ireo taim-bala efatra hita teo an-toerana. Bala fampiasa amin’ny kalachnikov izy ireo ary mazava hoazy ,fa ny mpitandro ny filaminana ihany no manan-jo hampiasa ny karazam-pitaovam-piadiana toy izany; izay voasokajy ho kilasy voalohany. Tsy misy afa-tsy toe-javatra telo ihany : na nisy mpitandro ny filaminana nivarotra ny basy izay niaraka tamin’ny bala, na nisy nampanofa ary ny farany, dia na mpitandro ny filaminana mihitsy no nampiasa azy. Raha tena tiana halalinina hatramin’ny farany ny fanadihadiana dia tokony hamaly ireo endriky ny fanatontosan’ny jiolahy ny asany ireo. Mazava mantsy fa tsy misy ny jiolahy raha tsy misy ny basy. Manarak’izay, inona no antony namonoana ho faty ireto fianakaviana indopakistanais ireto? Raha ny diam-bala hita mantsy dia olona efa mahay mampiasa basy tanteraka no tompon’antoka ary ny hamono ny tanjony. Bala telo teo amin’ny varavarana anoloana izay mifanandrify tanteraka amin’ny toeran’ny saofera. Bala faninefany niditra teo amin’ny seza taoriana izay nahazo ny fon’ilay tovolahy antsoina hoe Fahrane ka namoizany ny ainy. Tsy nisy tifitra izay nataotao foana mba hoentina hampitahorana na iray aza tamin’ireo nataon’ity andian-jiolahy ity. Raha heverina fa haka an-keriny izy ireo, efa voasakany ny làlana ary nalainy mora foana tamin’ny basy ireo olona nokendreny. Saingy tsy izay no nitranga fa famonoana avy hatrany. Tsy nisy basy ihany koa tao anatin’ny fiara nentin’ireo karàna rehefa nosavain’ny mpitandro ny filaminana hany ka tsy azo heverina ny hoe mety nanohitra izy ireo ka namely ny jiolahy. Mofo dipaina efatra no hita tao aoriana, dia kara-panondro iray ny teo aloha… Handrasana ny fivoaran’ny fanadihadiana na tsy nisy aza hatreto ny fitoriana. Asa raha mba mety ho lasa lavidavitra fa tsy to any mahazatra, toa ny hoe ny mpiambina hatrany no atao misolo vaika ny akalana rehefa tsy hita ny mpitifitra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici