- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Be : Lehilahy tapa-doha, hita teny amoron-dranomasina

Nosy Be : Lehilahy tapa-doha, hita teny amoron-dranomasina

Toe-javatra mahatsiravina mampihoron-koditra indray no nitranga tany Nosy Be ny alakamisy 11 aogositra lasa teo. Lehilahy iray, manodidina ny 70 taona eo ho eo, no hita faty teny amoron-dranomasina tao amin’ny fokontany Ampasikely, Kaominin’i Nosy Be, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Faty efa tsy nisy lohany intsony no hitan’ireo fokonolona tamin’izany ka sarotra ny namantatra ny mombamomba azy. Tsy nahitana taratasy na karatra rahateo teny aminy. Niroso tamin’ny fitadiavana ny lohan’ity lehilahy hita faty ity araka izany ny olona nahita izany nomban’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Marihina fa nidina teny an-toerana avy hatrany ny Kaomandin’ny Kaompanian’ny Zandarmaria any Nosy Be narahan’ireo zandary ambany fifehezany handray an-tanàna ny raharaha sy hanadihady ifotony ny toe-java-misy.  Tonga teny an-toerana ihany koa ny dokotera hanao ny fizahana farany ny razana. Vokany : hita teny amin’ny manodidina ny moron-dranomasina tsy lavitra ny nahitana ny vatany ihany ny lohan’ilay razana. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa olona mponina eny amin’ny manodidina ihany ity farany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici