Manomboka miroborobo indray amin’izao fotoana izao ny tranga famonoan-tena. Lehilahy iray, 41 taona, monina ao Andranobe, fokontany Antamponala ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, no namoy ny ainy ny asabotsy lasa teo rehefa avy namono tena nihinana fanafody famonoana biby. Voalaza fa tavela irery tao an-tranony io lehilahy io ny alin’ny zoma 12 aogositra lasa teo. Ny maraina anefa, gaga ny fianakaviany satria tsy tsy tazan’izy ireo namoha trano toy ny fanaony intsony ralehilahy. Ny andro rahateo efa antoandro, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, ka nanaitra ny sain’izy ireo. Nosokafan’izy ireo noho izany ilay trano saingy efa ny vatana mangatsiaka sisa no hitan’izy ireo tao tamin’izany. Rehefa nanao ny fizahana rehetra ny dokotera avy amin’ny CSB II Sadabe tonga teny an-toerana dia fantatra fa fanafody famonoana biby fanao amin’ny tongolo atao hoe “Malathyeux” no nahafaty azy. Marihina fa mbola tazana teo akaikiny rahateo ny fonosan’ilay fanafody nohaniny io. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ao amin’ny Borigady Sadabe ihany koa ny raharaha.
Niony H.