- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Noho ny adina mpisakaiza, trano hazo iray nirehitra

Ambohitrarahaba : Noho ny adina mpisakaiza, trano hazo iray nirehitra

Nitrangana hain-trano indray teny Ambohitrarahaba, Kaominina ambanivohitr’Ankadikely Ilafy, ny alin’ny alakamisy 11 aogositra lasa teo. Trano hazo iray no may kila tanteraka tamin’izany. Trano biriky roa hafa kosa, may amin’ny ampahany. Raha ny fanazavana voarainay avy amin’ny mpitandro filaminana izay nidina teny an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra, dia voalaza fa resaka hasarotam-piaro diso tafahoatra izay niteraka savorovoro teo amin’olon-droa mpisakaiza no nahatonga ny afo. Raha zohina ny zava-niseho, vehivavy 48 taona iray mifankatia amina rangahy iray 58 taona izay marihina fa efa manambady no nifamaly noho ny resaka hasarotam-piaro.             Fantatra fa niantrano tao amin’io vehivavy io izay nipetraka tao amin’ilay trano hazo may io ilay rangahy. Voalaza fa efa tany am-pisotroana toaka izy ireo no niady ary mbola notohizan’izy ireo izany rehefa tonga tany an-trano. Noho ny tahotra an-drangahy sy ny tsy fahazakana fifamaliana anefa dia nitsoaka nandositra tany an-tranon’olon-kafa ilay ramatoa. Nivoaka nitady azy ihany koa nony avy eo ilay rangahy ary dia namela irery ny trano teo. Nahazo ny « rideau » anefa ny afon-dabozia tavela tao ka nampirehitra avy hatrany ilay trano hazo. Niezaka niantso ny « pompiers » ihany ny manodidina saingy noho ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra dia nahazo ny tafon’ireo trano roa mifanila amin’ilay trano hazo ihany koa ny afo. Nezahin’ny tompon-trano araka izany ny namoaka ireo entana rehetra tao an-trano. Ny fokonolona no niara-nientana tamin’ny famonoana ny afo. Voavonjy ara-potoana noho izany ny entana. Ny tafon-trano sy ny ampahany amin’ireo trano biriky roa ireo ihany no may. Marihina fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity hain-trano ity. Efa notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ao Ankadikely Ilafy ilay vehivavy sy ilay lehilahy mpisakaiza, fototry ny afo, anaovana famotorana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici