Tovolahy 29 taona avy ao Antananarivo tonga hiala sasatra eto Toamasina no maty an-dranomasina tao amin’ny fokontany Ampanalana –Toamasina I, mifanila amin’ny trano fandraisam-bahiny “Darafify”.
Ny alahady tolakandro tokony tamin’ny 04 ora hariva no nitrangan’ny loza, nanorana raha teo ny andro ny alahady, ka ny tolakandro vao nihiratra ny masoandro ka nanararaotra izany ity tovolahy 29 taona ity sy ireo namany. Tsy nisy nahalala azy ity hoe lasan’ny ranomasina ireo namany raha tsy izy efa niantso vonjy tsy afaka intsony vao taitra ny rehetra. Niezaka nanavotra azy ireo namany sy fianakaviany ireo saingy efa lasa lavitra loatra izy ka tsy sahy intsony ireto mpanavotra. Hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia mbola hita ny fatin’ity tovolahy 29 taona mpiala sasatra maty an-dranomasina ity tao Ampanalana ity. Raha ny fanazavan’ireo mponina eny amin’ny faritra nitrangan’ny loza dia tsy ity ranomasina ity mihintsy no misy “lolo”, fa resaka ara-teknikan’ny ranomasina no olana aminy. Eny amin’ny faritra Ampanalana iny mianavaratra mantsy no mihodina ny ranomasina avy aty akaikin’ny seranan-tsambo, noho ilay bariera na vatoara. Vokany mafy fihodina ny ranomasina eny ka izay no miteraka ireo olona tsy mitandrina mandeha lavitry ny morontsiraka tafiditra ao anatin’izay dia lasan-drano eny afovoany.
Saika isan-taona noho izany dia mahafaty olona hatrany ity fari-dranomasina Ampanalana ity. Ny fotoan’ny fetin’ny paska, ny fialan-tsasatra, ary ny faran’ny taona no fitrangany, izany hoe mandritra ny fotoana filomanosan’ny olona mba maka “revy” an-dranomasina.
Malala Didier