- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversRanohira : Mpitondra mpizahatany maty novelesina « bois rond »

Ranohira : Mpitondra mpizahatany maty novelesina « bois rond »

Tsy eto Andrenivohitra ihany no handrenesana tranga famelezana olona amin’ny « bois rond » fa na hatrany amin’ny faritra aza dia hisehoan’izany ihany koa. Ny sabotsy 13 aogositra lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Ranohira, lehilahy iray mpitondra mpizahatany no maty tsy tra-drano rehefa nisy nidaroka tamin’ny « bois rond ». Raha ny fanazavana voarainay teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia voalaza fa avy nanatitra ireo mpizahatany tany amin’ny hotely nitoerany io lehilahy io, tamin’io andro io. Izy ihany no namily ny fiara nanaterany azy ireo. Namonjy toeram-pialam-boly tany amin’ireny « salle de karaoke » ireny ny tenany nony avy eo. Tampoka anefa dia nodarohin’ny lehilahy iray mpiambina ao amina orinasa mpitantana valan-javaboary iray any an-toerana ity farany rehefa tsy nety nanatitra azy tamin’ny fiara. Rehefa nody tany an-tranony ilay mpitondra mpizahatany io dia taitra ny fianakaviany rehefa nahita azy naratra mafy ka nanao izay fomba nitadiavana ilay lehilahy mpiambina nahavanon-doza. Niverina niaraka taminy nikaroka azy izy ireo. Nandritra ny fitadiavana an’ity farany anefa dia nisy nidaroka « bois rond » indray ny haton’ilay mpamily izay nitarika hatramin’ny fahafatesan’ity farany ny alahady 14 aogositra teo. Niala nenina ihany ireo fianakaviana nitondra azy tany Ihosy sy Fianarantsoa saingy tsy tàna intsony ny ainy. Efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana ilay mpiambina, iray tamin’ireo nahavanon-doza fa ilay faharoa kosa mbola tsy hita hatramin’izao. Ny vaovao farany voarainay no nahafantarana fa lasa nitsoaka nandositra. Fantatra fa avy any Toliara no fiavian’ity farany ary miana-draharaha ao amin’ilay orinasa mpitantana valan-java-boahary ihany koa ny tenany.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici