Efa miditra amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka indray ny fokonolona eto Toamasina izao, amin’ity firongatry ny asan-jiolahy tsy mampandry andro sy alina ny isam-pianakaviana misy ankehitriny ity. Taorian’ny tranga niseho tao Depot Analakininina, dia ny tao Analakininina Hopitaly be indray no nitrangan’izany fitsaram-bahoaka izany ny alahady nifoha ny alatsinainy teo.
Manodidina ny 25 taona ity tovolahy maty tsy tra-drano noho ny famakiana sy fidirana an-tranon’olona ity; izay efa narahan’ireo tompon-trano maso ny fidirany ary navelan’izy ireo miditra any an’efitra tsara vao samborina ambodiomby. Teo am-pangalarana zavatra tao an-trano anefa ity tovolahy ity no tonga ireo tompon-trano hisambotra azy, tsy afa-nihetsika intsony ka raikitra teo ny daroka samy hafa nahazo azy. Raha afa-po tamin’ny nataon’ireto fianakaviana ireto, dia nasain’izy ireo nandeha ilay jiolahy saingy tsy nanaiky izany ny fokonolona tao an-tanana ka mba nandaroka azy ihany koa. Ny lohany anefa no tena voa nandritra izany ka nitarika tamin’izao fahafatesany izao. Ny mpamonjy voinan’ny kaominina no naka ny fatin’ilay tovolahy teny an-dalam-pasika nandritra izany, izay mbola nahitana vola 8.000 ariary sy antsy kely iray kosa tany am-paosiny tamin’ny fisavana nataon’ny mpamonjy voina azy. Tsy nisy taratasy namantarana azy kosa ity tovolahy maty ny fitsaram-bahoaka ity tamin’ny fisavana natao taminy.
Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia tsy mbola nisy naka tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny fatiny, na efa nanao antso tamin’ny haino aman-jery aza ny fokontany mikasika azy, mba ho henon’ny fianakaviany.
Malala Didier