Mpivavaka ao amin’ilay fiangonana ny iray tamin’izy ireo ary mpibizina avy aty an-drenivohitra kosa ny iray. Tratra am-bodin-dakolosy izy roalahy mianaka ireto raha saika hijaiko moramora ilay lakolosim-piangonana, efa nafenina sy napetraka tany amin’ny tompon’andraikitry ny fiangonana, ny alahady lasa teo tany Ankazomasina, Ambatomanga, ny alahady lasa teo. Manoloana ity firongatry ny halatra lakolosy ity mantsy dia nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ny mba hampidinana sy hampirimana ireo lakolosim-piangonana rehetra any amin’ny toerana azo antoka rehefa tsy ampiasaina. Toy ny an’ity fiangonana katôlika iray ity, raha ny filazan’ireto tompon’andraikitra ao dia, napetraka tany amin’ny filoham-piangonana ilay lakolosy ary ny alahady ihany vao apetaka sy hampiasaina. Ka rehefa vita ny fotoam-pivavahana dia averina ampiriminina indray. Tamin’io alahady io anefa dia nisy fetin’ny taranaka tany an-toerana. Navela ho tsy nisy mpiambina araka izany ity lakolosy rehefa vita ny nampiasaina azy. Izany indrindra no nisintona ny sain’ireto mpangalatra, izay tsy izay fa mpivavaka ao amin’io fiangonana io ary rangahy nahazo taona ihany, niaraka tamina tovolahy iray, izay avy aty an-drenivohitra saika hangalatra izany. Nisy nahatsikaritra izany ka velona ny fifanenjahana, ary tao ireo niantso zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mantasoa. Tra-tehaka ihany anefa ireto mpangalatra ireto ary nentina avy hatrany tany amin’ny birao natao fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa saika entin’izy ireo aty an-drenivohitra ilay lakolosy ary mitontaly any amin’ny 30 tapitrisa ariary any ho any ny teti-bidiny sy ny mety handraisain’izay mividy azy. Hatreto dia mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ireo zandary mahakasika ity halatra lakolosy ity, ahafantarana marina izay tena ao ambadika sy izay olona mpandray azy ireny. Amin’izay fotoana izay ihany koa angamba vao mety ho fantatra hoe atao inona marina ilay lakolosy matoa misy sahy mividy azy lafo dia lafo tokoa. Raha ny mikasika ireo mpangalatra moa dia omaly ihany izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka avy hatrany eny Antanimora.
m.L