- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina: Trafika na kaontera : Namoaka fepetra vaovao hanaraha-maso ny mpiasa ny...

Toamasina: Trafika na kaontera : Namoaka fepetra vaovao hanaraha-maso ny mpiasa ny talem-paritany

Hentitra, tezitra, ny talem-paritanin’ny jirama Toamasina, nandritra ny fiantsoany mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany ny talata maraina teo, na tsy ny rehetra aza no nantsoiny, nilazany ny fomba fiasa vaovao entiny manara-maso ny mpiasa mamita iraka mikasika ny asan’ny jirama Toamasina.

“Tsy misy mpiasan’ny jirama afaka miditra an-tranon’olona manongotra sy mametraka kaonteran-jiro na rano manomboka ny alarobia raha tsy mitondra ireto taratasy manaraka ireto, eo ny ‘badge’, ny karapanondrom-pirenena, ary ny taratasy manokana amin’ny iraka atao, izay ahitana sonia telo be izao, dia ny tale, ny lehiben’ny rervisy mpaniraka ary ny talen’ny mpiasa”, hoy Atoa Veloson Leonard talem-paritan’ny jirama Toamasina. Nohamafisiny hatrany fa “tsy maintsy asehon’ireo mpiasa ary azon’ny tokantrano hidiran’izy ireo takiana ireo taratasy rehetra ireo. Ny tsy fampisehoana izany dia ahazoan’ireo olona hidiran’ny mpiasan’ny jirama miantso sy mitory azy ireo eo anivon’ny jirama”. Ireo fepetra rehetra ireo dia miova isan’andro izay heverin’izy ireo fa tsy hahavitana hosoka intsony. Nomarihan’ity talem-paritry ity ihany koa fa ny fametrahana kaonteran-jiro na rano dia tsy misy fandoavam-bola hafa intsony, afa-tsy ny vola efa naloa teo anivon’ny jirama nandritra ny tombam-bidy rehetra natao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici