- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Lehilahy tsy fantatr’endrika intsony, norarahana asidra

Ambatomirahavavy : Lehilahy tsy fantatr’endrika intsony, norarahana asidra

novonoinaMay tanteraka ny vatany iray manontolo, ary tsy nisy nahafantarana azy intsony ny tarehiny. Izany no vokatry ny vono nampiharan’olon-tsy fantatra an’ity rangahy ity teny amin’iny faritra Ambatomirahavavy iny. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny hanapitra tanteraka ny ain’ity rangahy ity mihitsy no tanjon’ireo mpamono. Rehefa avy nodarodarohana tamin’ny vata-kazo mantsy izy dia notondrahana asidra ny vatany iray manontolo. Efa tsy nihetsika intsony ity rangahy ity tamin’io fotoana io ka noheverin’ireo mpamono fa maty. Mbola sendra ny vintana anefa izy ka nisy afaka namonjy sy nentina tany amin’ny hôpitaly haingana. Tokony ho iray volana lasa teo no nitrangan’izany tany an-toerana. Nitory avy hatrany tany amin’ny pôlisy ny fianakavian’ity rangahy ity. Ny talata lasa teo, lehilahy telo no voasambotra tetsy Analakely sy Anosibe, isan’ireo tompon’antoka tamin’ity famonoana olona ity. Araka ny fanazavàna, dia efa nitetika ny hamono an’ity rangahy ity mihitsy ireto telolahy ireto tamin’io fotoana io. Ary efa maty paika ny drafitra. Resaka trosa no antony nahatonga ireto nahavanon-doza hanapitra ny ain’ilay rangahy. “Ananan’olona trosa ireto nahavanon-doza ka ilay lehilahy no vavolombelona tamin’izany ka izay no antony namonoana azy” hoy ny vaovao.

m.L

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici