- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Fiaramanidina nitondra marary, nitrosona teo am-pahatongavana

Ivato : Fiaramanidina nitondra marary, nitrosona teo am-pahatongavana

Hatairana ny an’ny rehetra. Fiaramanidina kely iray avy naka marary tany Sambava, no tra-doza, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny sabotsy maraina  teo. Na izany aza anefa, avotra soa aman-tsara avokoa ireo mpandeha fito tao anatiny, noho ny avotr’aina nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ity seranam-piaramanidina ity. Voaaro tamin’ny mety ho fipoahana ihany koa ilay fiaramanidina, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Araka ny fantatra dia avy  tany Sambava ity farany ary nigadona tetsy Ivato  afak’omaly, tokony ho tamin’ny fito ora sy 15 minitra tany ho any. Olana ara-teknika no nahazo azy, raha ny fanazavana azo hatrany. Satria raha teo am-pahatongavana, handeha hidina handray ny “piste” iny izy, no tsy nivoaka sy tsy nivelatra ny kodiarana aloha sy aoriana. Nandray fepetra haingana ireo mpanamory ny tsy maintsy nametraka izany fiaramanidina izany, amin’ny trangam-pahamehana (atterrissage d’urgence). Vokany nitrosona tamin’ny tany ity farany. Natao arak’izay haingana ny famoahana ireo olona tao anatiny, mpanamory ny roa, dokotera miaramila ny iray, ilay olona marary iray ary ireo mpanaraka azy telo. Tsy nisy naninona anefa ireto farany, raha ny fantatra hatrany. Amin’ny tranga toy itony dia tsy mahazo mihetsika eo amin’ny toerana nitrangan’ny loza, ilay fiaramanidina tra-doza, mandrapahavitan’ ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Na izany na tsy izany aza,  dia nizotra ara-dalàna ihany ny fampandehan-draharaha teny an-toerana. Izany hoe ny fahatongavana sy ny fiaingan’ireo fiaramanidina hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici