- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkongo : Mpangalatra taolam-paty, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ikongo : Mpangalatra taolam-paty, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Raha somary nangina teo ho eo ny resaka halatra taolam-paty, dia miverina mahazo laka indray izany ankehitriny, toy ity tany amin’ny distrikan’ Ikongo niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ity. Ny alarobia 17 aogositra lasa teo, manodidina ny tamin’ny roa ora tolakandro, olona roa lahy no tratran’ny fokonolona am-body fasana nangalatra taolam-paty, tao Ikalafotsy Ifaneraha, fokontany Amparimbelo, Kaominina ambanivohitra Amparimbelo. Taolam-paty telo gony no voalaza fa nokasain’ireto olon-dratsy ireto . Naterin’ny fokonolona teny amin’ny zandary avy hatrany ireto roa lahy ireto. Ireo zandary rahateo teo am-panaovana fisafoana teny an-toerana ihany koa tamin’io fotoana io. Rehefa tonga tao amin’ny toerana izay nitobian’ireo zandary anefa ireo olon-dratsy roa ireo, dia tonga  nanaraka azy ireo tao ihany koa ireo voalaza fa tompom-pasana narahana andian’olona maromaro, teo amin’ny 200 eo ho eo. Nalain’izy ireo an-keriny ireo olon-dratsy, fa tsy navelan’izy ireo najanona tao amin’ny biraon’ny zandary hanaovana famotorana. Etsy andaniny anefa, tsy nanaiky velively ny nakana ireo olon-dratsy ireo zandary. Raikitra araka izany ny fitorahana vato nataon’ireo fokonolona. Nanao fampitandremana ihany ireo zandary saingy tsy nampijanona velively ny tora-baton’ireo fokonolona izany. Voatery nentin’ireo zandary roa lahy sy ny kartie môbila iray nandositra niaraka tamin’izy ireo noho izany ireo roa lahy tratra nangalatra, mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka mananontanona azy ireo, saingy tratran’ny fokonolona ihany ny iray tamin’izy ireo izay mbola tsy tafavoaka ilay trano akory. Nanamparan’ireo fokonolona ny hatezerany noho izany ity farany ka maty tsy tra-drano. Ilay faharoa kosa, tonga soa aman-tsara tany Manakara ihany nanaovana ny famotorana rehetra. Ny zandary ao Vatovavy Fitovinany no miandraikitra feno ity raharaha ity.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici