- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo-Analakely-Ambohijatovo : Omby tafatsoaka teny amin’ny « abbatoir », nampisahotaka ny olona

Ankadindratombo-Analakely-Ambohijatovo : Omby tafatsoaka teny amin’ny « abbatoir », nampisahotaka ny olona

Tranga hafakely indray, no niseho teto Antananarivo renivohitra, omaly. Omby tafatsoaka teny amin’ny « abbatoir » nihazo an’Analakely sy ny manodidina no nampisahotaka ny olona. Nisy enina izy ireo. Raha ny fantatra, dia omby tsy nifatotra izy ireo no izao tafatsoaka teny amin’ny « abbatoir » izao. Lasa nitsoaka ireo omby ireo ary nihazo an’i: Soarano, Analakely, Ambohijatovo, Andrainarivo, Ambanidia, sns… tokony ho tamin’ny roa ora sasany hariva tany ho any. Andian-tanora maromaro izao no nirohotra nisambotra azy. Ireo olona izay sendra ireto omby ireto kosa etsy andaniny natahotra ka rifatra namonjy fiafenana avokoa. Nisy mantsy ny fampilazana, fa masiaka tokoa ireo omby ireo ka mila mitandrina noho izany izay rehetra sendra azy ireo. Niroso tamin’ny fanenjehana ireto omby ireto ihany koa ny teo anivon’ny polisy. Ny iray dia efa tratran’ny fokonolona teny ampitan’ny « Tahala Rarihasina Analakely », ny iray kosa teny Andrainarivo. Ireo ambiny kosa dia mbola nifampikarohana eran’ny tanàna. Hatreto, tsy mbola nisy ny olona nanambara ho voatoton’ireo omby ireo, fa ny naratra kely vokatry ny fikoropahana tamin’ny fitsoahana kosa no nisy.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici