- Publicité -
dimanche, septembre 27, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy nangalatra volam-pamangiana saika matin’ny olona

Toliara : Tovolahy nangalatra volam-pamangiana saika matin’ny olona

Trangam-piarahamonina hafakely no niseho tao Besasavy Toliara, ny maraim-ben’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny roa roa tany ho any. Tovolahy iray no tra-tehaka nangalatra vola famangiana nanodidina ny telo hetsy ariary teo ho eo ary mbola nanendaka rojo volamen’ny ramatoa iray resin-tory tao anaty fiaretan-tory. Raha ny fanazavana azo araka ny vaovao voaray, dia mody nizara toaka tamin’ireo mpiari-tory ity tovolahy ity. Tsy nizara ny toaka tamin’ireo olona niari-tory teo an-tokotany anefa izy fa niditra tao an-trano nanome an’ireo vehivavy vitsivitsy niatrika ny razana tao an-trano efa rendreman’ny torimaso ny ankamaroany. Tonga dia noraofiny ny vola famangiana napetraka tao anaty harona teo ambany farafara tsy lavitra ny maty. Tsy afa-po tamin’ireo vola azony ity jiolahy mpanararao-paty ka izy saika hanendaka haka ny rojo volemana ramatoa iray sondrian’ny torimaso iny, no nisy tamin’ireo mpiari-tory nihira teo an-tokotany no nahatsikaritra ny asa ratsiny ka noraisim-potsiny ity tontakely ity. Raikitra ny hatezeram-bahoaka ka saika matin’ny olona vokatry vono sy daroka nihatra taminy  ity jiolahy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici