- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpitondra « Tuc-Tuc » maty nisy namono

Toamasina : Mpitondra « Tuc-Tuc » maty nisy namono

Raha nanomboka ny sabotsy nahazoan’ny “patron”-ny antso tamin’ity mpitondra Tuc-Tuc, fa nisy nanafika izy ny fikarohana azy, dia omaly antoandro tao Tanandava ihany no nahitana ny fatiny, izay nasitrik’ireo andian-jiolahy nanomo azy tao anaty kirihitra ala.

Raha ny fahitana ny fatiny, dia nisy lavaka be teo amin’ny lohany, izay heverina hoy ny mpitsabo nanao ny fizahana azy fa daroka tamin’ny vy no nahatonga izany; misy faritra mangana sy tapaka ihany koa amin’ny vatany. Lasa miteraka horohoro ho an’ireo mpitondra tuc-tuc eto Toamasina ny zava-misy, hany ka vao misy andian’olona maromaro mandeha somary lavidavitra ny tanàna dia tsy mitondra intsony izy ireo; tsy mitondra mpandeha ivelan’i Toamasina renivohitra amin’ny andro hariva sy alina intsony ihany koa ireto mpamily tuc-tuc ireto nanomboka ny alahady nahalalan’izy ireo izao nahafaty ny namany izao.

Nanohana ny namany izay halevina any Fenoarivo atsinanana ireo mpitondra tuc-tuc omaly antoandro; nisy noho izany ny filaharam-be nataon’izy ireo nanatitra ny namany nihazo ny lalam-pirenena faha-5 mankany Fenoarivo atsinanana tany fiavian’ity maty. Manao antso avo amin’ny fiarovana, fa tsy “fanorana” azy ireo amin’ny mpitandro ny filaminana ireto mpitondra tuc-tuc eto Toamasina ireto, fa efa tsy kely làlana ny ratsy…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici