Mirongatra ny fanakanan-dalana amin’ireo lalam-pirenena amin’izao. Voasoroka mialoha anefa ny zava-doza saika nihatra tamin’ireo mpampiasa sy mpindrana iny lalam-pirenana fahefatra iny ny talata alina lasa teo. Nahazo antso avy hatrany mantsy ny zandary tany an-toerana fa misy mitady hisakan-dalana amin’iny faritra Antamponketsa Andranofeno, kilaometatra vitsy, tsy hiditra an’Ankazobe. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo ka nisy hazo sy vato nataon’ireo malaso hisakanan-dalana tokoa teo amin’io toerana io. Fiara iray no saika tratra teo, kanefa noho ny hamaroan’ireo fiara dia rifatra nitsoaka ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra dia nahatratra teo amin’ny dimy teo ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, ary samy nitondra basy. Nanapoaka izany izy ireo sady nanao tari-dositra nitsoaka hatrany. Nandray ny fepetra hiambina ireo fiara rehetra nandalo tamin’iny lalam-pirenena iny ireo zandary.
Hatreto dia tafakatra ho dimy amin’izao ny fiara lasibatry ny fanakanan-dalana, tamin’ireo lalam-pirenena. Mazàna dia amin’ireo lalam-pirenena falehan’ny olona miala sasatra no mamango ireo olon-dratsy. Raha tsy hiteny afa-tsy ny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, ny nitranga tany amin’ny lalam-pirenana faha-25 mizotra mankany Mananjary. Ary ny tany Ambovombe Androy, izay nahazoan’ireo olon-dratsy vola 14 tapitrisa ariary. Efa misy moa ny fepetra raisin’ireo mpitandro filaminana eny amin’ireny lalam-pirenena voasokajy ho faritra mena ireny. Manentana hatrany ireo mpampiasa lalana, araka izany, izy ireo, hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika omena, hisorohana ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity.
m.L