- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Tovovavy 16 taona niteraka kambana telo mianadahy, latsaka 12 ora...

Sakaraha : Tovovavy 16 taona niteraka kambana telo mianadahy, latsaka 12 ora mialoha ny iray

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita firy matetika, no niseho tany Sakaraha, afak’omaly sy ny omaly. Tovovavy iray vao 16 taona monja, no niteraka kambana telo mianadahy. Tsy nifanesy toy ny mahazatra ny niterahany an’ireo zanany, fa teraka 12 ora nialoha ny zaza latsaka voalohany izay lahikely, ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any. Gaga anefa ny fianakaviany nony naraina ny andro, fa nihetsi-jaza indray ity tovovavy tsy ampy taona avy any amin’ny kaominina ambanivohitry Mahaboboka, renim-pianakaviana sahady vao nitera-bao ity. Fotoana fohy taorian’izay, dia nifanesy naterany ny zanany mirahavavy. Salama tsara ireo zaza sy ny reniny na dia hita mbola reraka ity farany izay arahi-maso akaiky ny fahasalamany noho ny fahaverezan-drà nitarika harerahana be ho azy, hoy ny tati-baovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici