- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Ravan’ny mpitandro filaminana ny « bande de 4 », iray...

Farafangana : Ravan’ny mpitandro filaminana ny « bande de 4 », iray maty voatifitra

Tao anatin’ny iray volana, nanao sesilany ny vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana narahina herisetra ataon’ny jiolahy, tany Farafangana, renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana. Tambajotran’ olon-dratsy mpamaky biraom-panjakana sy “cyber multi-service”, ka ireo fitaovana informatika no angalarin’ ireo jiolahy ikoizana “bande de 4” ireto amin’izany. Taorian’ny fitarainan’ny mponina lasibatra izay nanao ranolava, dia nandray andraikitra ny avy ao amin’ny “Emmo District”, ka nahitam-bokany izany. Afak’omaly alina, tao anaty fisafoana tanàna nataon’ny mpitandro filaminana mitambatra, dia jiolahy efatra no voasambotra. Nikasa hamono hikapoka tamin’ny famaky an’ireo Zandary nisambotra azy ny iray tamin’ireo jiolahy ka maty voatifitra teo amin’ny kibony. Ho fiatrehana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy dia napetraka any an-toerana ny laharana maitso 119 tsy andoavam-bola iantsoina avy hatrany an’ireo mpitandro filaminana raha misy trangana asa ratsy miseho. Vao tsy ela fa tamin’iny herinandro iny, dia  mpanendaka sy mpangarom-paosy ary mpanao sinto-mahery miisa 11 no tratra tany Farafangana, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici